У нас вы можете посмотреть бесплатно FANOMBOHANA NY FANKALAZANA NY ANDRO MANERAN-TANY HO AN'NY VEHIVAVY ETO TOLAGNARO. или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Nosokafana ny Alahady 01 Martsa 2026 lasa teo tamin'ny alalan'ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana sy rindran-kira teto amin'ny Lapan'ny Tanànan'i Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy eto Tolagnaro izay hankalazaina isaky ny 08 Martsa. Mandritry ny herinandro no hanatanterahana ny fankalazana raha ho an'i Tolagnaro manokana izay ahitana hetsika maro isan-karazany izay miompana tanteraka amin'ny fanandratana sy fanehoana n'y zo sy lanjan'ny vehivavy eto amin'ny firenena ka nahatonga ny fisafidianana ny teny filamatry ny fankalazana amin'ity taona ity manao hoe: " Ny Vehivavy Malagasy, Hery iray ho an'ny Fanavaozana ny Firenena". Tonga nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ity fanokafana ity ireo manam-pahefana isan-tsojajiny eto an-toerana ka samy nitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny vehivavy rehetra ato anatin'ny Faritra Anôsy ny Lehiben'ny Faritra Anôsy Andriamatoa Bertrand RANDRIANARIVO mivady, ny vehivavy rehetra ato amin'ny Distrikan'i Tolagnaro ny Solombavam-bahoaka voafidy eto Tolagnaro Ramatoa Aïda RATSIMANDRIONA, teo ihany koa ny Lehiben'ny Fileovan'i Tolagnaro Andriamatoa Léopold Roch NARYSON mivady, ny vehivavy rehetra ato amin'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin Andriamatoa Andry Andriamahasoro ary ny Filohan'ny Vehivavy 08 Mars Tolagnaro Ramatoa Noro Seheno sy ny Talem-paritry ny mponina sy firaisan-kina Anôsy Ramatoa Zeritiny.