У нас вы можете посмотреть бесплатно FFPM 39 – Faingàna, ry Mpanjaka или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
"Faingàna, ry Mpanjaka!" - Hira FFPM 39 Mazotoa mamerimberina sy mianatra ireto hira FFPM ireto any an-trano. Dia mba samy mahay be toa azy ireo daholo isika manerana ny isam-piangonana any rehefa mihira amin'ny fotoam-pivavahana FFPM 39 – Faingàna, ry Mpanjaka! 1. Faingàna ry Mpanjaka Handray ny lovanao, Faingàna re mba haka Ny tany ho Anao ! Avia hampifaly Ny malahelo fo, Afaho ny mijaly Sy azon’ny manjo ! 2. Avia fa misento Aty ny olonao ! Ny fanjakana ento Fa Tompo Hianao ! Tsy hisy hitomany Eo anatrehanao, Hiadana ny tany Izay alehanao ! 3. Ny tendrombohitra avo, Ny lohasaha koa Ho tonga ravoravo Sy tretrika avokoa ! Ny be tsy haka an-kery, Ny kely afa-po ; Tsy hisy izay ho very, Tsy hisy izay hanjo ! 4. Mpanjaka sy Mpiaro Mahery Hianao ; Ny firenena maro Hitoky Aminao. Ho avy lalandava Izao rehetra izao, Hitondra harem-bevava Ho eo an-tongotrao. 5. Faingàna ry Mpamonjy, Ry Tompo be fitia, Ny olonao tra-bonjy Miantso hoe : Avia ! Anao ny fiderana, Anao ny laza be, Anao ny fanjakana Sy arahaba e ! Source: video Fandaharana Teny Soa Mahafaly viva madagascar