У нас вы можете посмотреть бесплатно Tantara Malagasy - LANGO MALEFAKA na IZA NO DISO (Tantaran'ny Radio RDB) Tantara Indray Mihaino или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
LANGO MALEFAKA NA IZA NO DISO Tantaran'i Radio Don Bosco Sokajy tantara lava Voahiraka hiasa hanao asa fitsaboina tao amin'ny Fokontany Tsarahonenana i Docteur Benja. Noro sy Suzie no tovovavy nifanerasera voalohany tamin'i Docteur Benja, ary tsikaritr'ity farany fa na saro-kenatra aza i Suzie dia mahasarika azy ihany. Sendra be olona tsaboina i Docteur Benja indray andro, tsy nanam-potoana hikarakarana sakafo izy ka tafaresaka tamin'i Suzie, nanomboka teo izy roa dia lasa nifankahazo sy nifanampy ; Docteur Benja nitsabo ny renin'i Suzie, ary ny fianakavian'i Suzie mikarakara sakafo araka izay vita ho an'i Docteur. Tafahoana tany amoron-drano i Noro sy ny reniny ary Docteur, indray maraina, nangatsiaka loatra i Noro ka nandeha nisotro dite niaraka tamin'i Docteur ; hitan'i Suzie anefa izany ka nahavelom-panahina azy. Nampitovy lokon'akanjo i Noro sy Docteur Benja rehefa nandeha nivavaka, teny mandoka misary heso no nataon'i Suzie tena an-dalana, tsikaritra hoe saropiaro. Tonga nangataka an'i Noro ho vady i Docteur Benja ary nanaiky izany fangatahana izany ny ray aman-drenin'i Noro. Fitaka anefa ny fisehoana rehetra nataon'i Docteur nandritra ny fombam-panambadiana, ary olona nokaramaina ireo lazainy fa ray aman-dreny sy fianakaviana nanatrika ny vodiondry. Tantara nosoratan'i France Andréa Ralambomanana na Fitaratra Ireo namelona ny tantara : Rakoto, Faly ,Synèse, Hanjariliva, Ony Mihajanirina, Niravo Nandray feo sy nanatontosa : Tovo Razanamamonjy #sarymihetsika #tantara #langomalefaka