У нас вы можете посмотреть бесплатно Tsy ny fanjanahan-tany no naharatsy laza ny fanandroana. или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Ilaina ny fanandroana ary tsy ny Malagasy ihany no manao azy io fa saika ny sarababem-bahoaka mihitsy, saingy ny fanatanterahana azy no samy manana ny azy. Azo adika tsotra ho fitantanana izy io, hoy Robert Randrianantoandro mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Madagasikara ao amin’ny tranoben’ny Merina eny Ambohimanga. Miasa izany fitantanana izany eo amin’ny fanorenana na fiomanana amina hetsika iray atao na fijerena daty mifanaraka amin’ny vintan’ny tena. Misy dingana tsy maintsy arahana amin’izany, saingy ny mampalahelo ankehitriny dia lasa heverin’ny sasany ho ratsy sy “fanompoan-tsampy” ny fanaovana azy io. Mifanaraka amin’ny vanim-potoana iainana amin’ny ankapobeny izy io, izany hoe tsy mitovy amin’ny fanandroana sy ny tetiandro niasàna tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka ny ankehitriny, raha ny fanazavana. Vitsy anefa, izany hoe ireo olobe sy ray aman-dreny ara-panahy toa ireo tangalamena sy mpanjaka isam-paritra, no mahay mampiasa azy io amin’izao fotoana izao. Miankina amin’izany avokoa ny fametrahana na famolavolàna ireo daty sy alimanàka eran-tany, noho izany indrindra no hilazàna azy ho ampiasain’ny olon-drehetra eran-tany saingy noho ny fisian’ny fanjanahana (ara-batana sy ara-tsaina) teto amintsika dia noezahana nopotehina ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny firenentsika amin’ny fanelezana sy filazàna amin’ny lafiny rehetra fa ratsy sy manimbazimba, araka ny fanazavana ihany. Ny didim-panjakàna navoakan-dRanavalona II mandràra ny fanohizana ny fomba Malagasy, nohamafisin’I Gallieni tamin’ny fotoan’androny izay tsy nisy nandrava hatramin’izao no isan’ny antony voalohany mahatonga io olana io, hoy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’I Madagasikara ao amin’ny tranoben’ny Merina.