У нас вы можете посмотреть бесплатно LANONANA OFISIALY FANOLORANA LAKANA SY FITAOVANA HO AN'NY MPANJONO TETO FORT-DAUPHIN. или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Notanterahina ny Talata 17 Desambra 2025 teto amin'ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny jono sy ny toe-karena manga na Direction Régionale de la Pêche et de l’Économie Bleue (DRPEB) Anôsy ny lanonana ofisialy fanolorana lakana sy fitaovana ho an’ireo mpisehatra eo amin’ny sehatry ny jono eto an-toerana. Tanjon’ity fanolorana ireo lakana sy fitaovana ireo ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpanjono, ny fanatsarana ny fepetra iasan’izy ireo, ny fampitomboana ny vokatra azo avy amin’ny jono, ny fampiroboroboana ny toe-karena manga maharitra, ary ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny mponina eny amin’ny faritra amorontsiraka mba ho fampandrosoana ny Faritra, ny Distrika ary ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin. Notanterahina teo ambany fiahian’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Ny Kolonely Michäel RANDRIANIRINA ity lanonana ity ary natrehin’ny Minisitry ny Jono sy Toe-karena Manga Andriamatoa CHAN KIT WAYE sy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Ramatoa Sidonie RAHARINIRINA, ny Lehiben’ny Fiaraha-miasa eo anivon'ny Vondrona Eoropeana eto Madagasikara, ny Masoivohon’ny Repoblika Federaly Alemana, ny solotenan'ny Masoivohon’i Frantsa ary teo ihany koa ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, isan’izany ny fandaharan’asa Global Gateway, ny GIZ (Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit) izay miantoka ny fanatanterahana ny tetikasa. Nandritra ity lanonana androany ity dia nisy ny lahateny ofisialy ho fampahafantarana ny tetikasa, narahana oronan-tsary ary ny fanolorana ara-pomba ofisialy ny fitaovana ho an’ireo mpisitraka, izay maneho ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho fampandrosoana maharitra ny Faritra Anôsy.