У нас вы можете посмотреть бесплатно Andriamanitra tsy mba diso izany mihitsy (186) или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
" Andriamanitra dia tsy diso izany mihitsy !" Nisy mpanjaka iray izay tsy nino ny hatsaram-pon'Andriamanitra dia nanana andevo, ka amin'ny zava-mitranga rehetra miseho dia hoy izy : — Ry Mpanjakako, aza kivy ! satria tonga lafatra izay rehetra ataon'Andriamanitra, tsy diso izany mihitsy Izy! Indray andro, nandeha nihaza izy ireo ary teny an-dalana, notafihan'ny bibidia ilay mpanjaka. Vitan'ilay andevo ihany ny namono ilay bibidia, kanefa tsy nahasakana ny fahatatapahan' ny ratsan-tanana iray an'ilay mpanjaka. Tezitra mafy izy ary tsy nampiseo fankasitrahina mihitsy tamin'ny nahavoavonjy azy, hoy ilay andriana : — Tsara ve Andriamanitra ? Raha tsara Izy dia tsy notafihan'ny bibidia aho ary tsy tapaka ny ratsan-tanako. Namaly tsotra fotsiny ilay andevo: — Ry mpanjakako, na eo aza izany rehetra izany, dia afaka miteny aminao fotsiny aho hoe tsara Andriamanitra ary Izy mahafantatra ny anton'ny zavatra rehetra. Tonga lafatra ny zavatra ataon'Andriamanitra. Ary tsy diso izany mihitsy Izy ! Tezitra mafy noho ilay valiteny ilay mpanjaka ka nandidy ny hisamborana ilay andevony. Indray andro, mbola nandeha nihaza indray ilay mpanjaka ka, nisy olona sôvazy nisambotra ilay mpanjaka izay manao sorona olombelona. Tao amin'ilay alitara izay efa vonona ny hamonoana azy, dia nahatsikaritra ireo andian'olona tao fa tsy ampy ratsana iray ilay niharan-doza, Navotsitr'izy ireo izy. Araka ny filazan'izy ireo: "tsy feno ny vatany ho atao sorona ho an'ireo andriamanitra." Rehefa niverina tany amin'ny lapa izy dia nanome alàlana ny famotsorana ilay andevony izay noraisiny tamim-pitiavana tokoa. -- Ry namako, Tena tsara fanahy tamiko Andriamanitra ! Saika novonoin'ireo olona sôvazy aho, fa satria tsy ampy ny ratsan-tanako, dia navotsitr'izy ireo aho ! a izany aza dia manana fanontaniana aho: Raha tsara tokoa Andriamanitra, maninona no navelany handefa anao any am-ponja aho? — Ry mpanjakao, raha niaraka taminao nihaza aho, dia natao sorona teo amin'ny toeranao, satria tsy misy banga ratsan-tanako. Aza hadino izany: izay rehetra ataon'Andriamanitra dia lavorary. Tsy diso izany mihitsy Izy! Matetika isika no mitaraina momba ny fiainana sy ny zavatra rehetra manana endrika ratsy hiainantsika, ary adinontsika fa tsy misy kisendrasendra ary misy tanjona avokoa ny zavatra rehetra. Isa-maraina dia omeo an'Andriamanitra ny tontolo andronao. Angataho Andriamanitra hitondra fahazavana amin'ny fomba fieritreretanao, mba hitariaNY ny fanampahan-kevitra raisinao, hampitony ny toem-ponao. Ary aza matahotra satria Andriamanitra tsy diso izany mihitsy ! Afaka mahita tantara hafa ao amin'ny www.365histoires.com