У нас вы можете посмотреть бесплатно 14/ Faune Endémique eto Madagasikara: Reptile Menarana - Leioheterodon madagascariensis или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Bibilava: Menapitsoka (Sofia), Matingôro (SAVA), Menalio Menara, Menapitsoka, Matingôro, Menalio, Menarana Leioheterodon madagascariensis na Heterodon madagascariensis Bibilava iray amin’ireo karazan’ny 99 misy eto Madagasikara, ao anatin’ny fianakavian’ny Lamprophiidae izay misy karazan’ny bibilava miisa 8 zanatany Loko mavo sy mainty eo amin’ny lamosiny no iavahan’ny Menarana Leioheterodon madagascariensis amin’ny bibilava iray tarika aminy, mahasesy halavana hatramin’ny 2 metatra ; fisak’orona, manana taovam-pamantarana roa miendrika tandroka eo amin’ny lohany. Voalavo, Saboketra, bibilava karazany hafa aminy sy biby mandady amin’ny tany, trondro, atody, biby miteraka, bitro, akoho amam-borona dia ohaniny avokoa. 22 ny isany nifiny hatrany amin’ny fara vangy, nify miendrika antsy 17 amin’io no miha mihena habe fa ny tandrify ao amin’ny fara vangy no tena matanjaka sady mahasesy hatramin’ny 4mm ny haavony. Manaikitra ny Menarana Leioheterodon madagascariensis, tsy mahafaty fa mety hankarary olombelona ny poizina avoakany, matetika miteraka fivontosana eo amin’ny faritra voakaikiny. Amin’ireo biby fihinany no voaporofo fa matanjaka ny poizina avokan’ny Menarana rehefa mifangaro amin’ny ran’ny biby hafa kaikeriny, izany no maha tsy afa mihetsika ny voalavo sy bitro na ny akoho rehefa voasambony ka 20mn fotsiny dia matiny ; « Duvernoy » no iantsoana an’iny rarakivin’ny menarana iny fa tsy poizina akory rehefa voateliny ny am-pahany biby voasambony Na izany na tsy izany dia mbola bibilava “aglyphes” no isokajiana ny Menarana Leioheterodon madagascariensis, izany hoe bibilava manaikitra fa tsy misy poizina mahafaty Bibilava lehibe mpandeha amin’ny atoandro ny Menarana, ahitana azy avy ny faritra rehetra eto Madagasikara fa saingy ny ilan’ny Andrefana sy Atsinanana no betsaka azy. Toerana mandomando, tsy lavitra loharano no tiany ipetrahana, matetika koa amin’ny toerana efa nohajariana ho tanim-boly. Ireo mpitia bibilava dia milaza ny menarana fa bibilava tsotra indrindra amin’ny bibilava rehetra. Préoccupation mineure na mitombo taranaka ara-adalana no isokajian’ny UICN ny fiainana sy fitombon’ny taranaka Menara, Menapitsoka, Matingôro, Menalio, Menarana Leioheterodon madagascariensis na Heterodon madagascariensis, bibilava zanatany tsy misy na aiza na aiza afa tsy eto amintsika na "Endémique eto Madagasikara". Lien Facebook: https://fb.watch/pvrmEBHEl_/