У нас вы можете посмотреть бесплатно ETO AN-DALANA - Lova Miampita Toamasina - (Lyrics) или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
🎼ETO AN-DALANA🎼 Lohasaha an-dranomaso no vakiko maizimaizina sady mideza Koa tantano ry Ray 'zany diako efa mila hitofezafeza Feno tsilotsilo, be karaobato, saro-dalana Nefa hazavana mitsilopy no tazana Toa tsy hitako ny in-dray mandingana avy amiko Kivikivy sy matahotra aho mijery ny ho aviko Sandrinao no iriko hitantana ny dia Eto an-dalam-pihoarana ho any Aminao Koa handroso tsy amin-tahotra aho fa satria Lohalalako Ianao (Jesô) Bibidia 'zay lian-drà no indry miandry kihon-dalana no hiereny Efa vizana be ity zandry mitalaho Aminao ombieny Hery tsy mitovy no indro mifanena ary fantatra Ny nofo malemy no tsy maintsy ho maratra Tsy hisy intsony ala-olana azo hiodivirana raha tsy eo Ianao Jesô hanala izay manahirana Sandrinao no iriko hitantana ny dia Eto an-dalam-pihoarana ho any Aminao Koa handroso tsy amin-tahotra aho fa satria Lohalalako Ianao (Jesô) Kely sisa dia ho vita re ny dia Nefa mainka mahery ny ady Ka hilofika ve sanatria, ny manaiky ho resy dia fady Mila hery mihamitombo isan'andro avy Aminao Ry Jesôsy Tompo Zoky tia izay tsy mandao Eo no hitako azo antoka sy tsara indrindra izao Eo aho no hijoro sy handresy mba ho voninahitrao Sandrinao no iriko hitantana ny dia Eto an-dalam-pihoarana ho any Aminao Koa handroso tsy amin-tahotra aho fa satria Lohalalako Ianao (Jesô) 😇 ©Lova Miampita Toamasina #LyricsbyKalo