У нас вы можете посмотреть бесплатно Video 41: MPAMINANIVAVY SADY MPISORONABE VEHIVAVY MALAGASY или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Ankoatr’ireo zava-mahagaga maro notanterahin’i Jesosy tamin’ny alalan’i Mama Nenilava (nitsangana tamin’ny maty, nandeha tambony rano …) dia notokanana ho Mpisoronabe araka ny Eksodosy 39 koa izy. Niteraka fifandonana teolojika sy ara-kevitra samihafa izany mandraka ankehitriny. Araka an’i Emma Mazava, iray amin'ireo nanatrimaso, dia baiko avy amin’i Jesosy fa tsy faniriana maha olombelona an’i Mama Nenilava, izay fantatry ny maro amin’ny fiainany feno fanetren-tena, izany lanonam-panokanana izany, izay notarihin’i Pastora Péri Rasolondraibe. Betsaka koa ireo teny faminaniana nampilazaina an’i Mama Nenilava, izay efa tanteraka avokoa. Tsy teo amin’ny fiainan’ny tsirairay sy ny fiangonana ihany fa hatramin’ny fiainam-pirenena dia nilazan’i Jesosy mialoha izay ho filoham-pirenena Malagasy, talohan'ny naha voafidy azy koa i Mama Nenilava tamin’ny fahavelony. Na izany aza anefa dia tsy misy "Stéréotype" hoe tsy maintsy ho izao no ataon’ny rehetra, vokatry ny faminaniana sy teny nampilazan’i Jesosy an’i Mama Nenilava. Malalaka amin'ny safidiny hatrany ny tsirairay. Tsy izay rehetra nangataka sy naniry ka tonga tao amin’i Mama Nenilava koa dia neken’i Jesosy avokoa. Misy aza ireo naniry hanao Pastora no nolaviny fa tsy voantso ho amin’izany. Navahan’i Mama Nenilava mandrakariva izay teny avy amin’i Jesosy sy izay mba faniriany manokana amin’ny maha olombelona azy. Santionany amin’izay hita sy ren’i Rev. Dr. Emma mivantana no ifampizarantsika amin’ity video fahavalo izay iarahantsika aminy eto amin’ny pejy "Zava-manahiran’ny Vehivavy" ity.