У нас вы можете посмотреть бесплатно Vakoka: Lasin'ny skoto Protestanta Malagasy tamin'ny Aogositra 1951 или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
🎥 Horonantsary mampiseho ny fihaonan'ny Skoto Protestanta Malagasy tamin'ny Aogositra 1951, feo lafika amin'ny teny malagasy 🇲🇬 Loharano: Archives départementales du Val-de-Marne https://archives.valdemarne.fr/pajep-... Traduction et voix-off : Mi-Tily Serasera Hijery horonantsary miavaka ianao, notsoahina tamin’ny tahiritsarin’ny « éclaireurs et eclaireuses unioniste de France » Ity horonatsary ity dia notontosaina tamin’ny taona 1951 ary voatahiry amin’ny arisiva ao Val de Marne, tafiditra tao anatin’ny PAJEB Maneho antsika ny lasy niraisan’ny « éclaireurs protestant » teto Madagasikara ny volana Aogositra 1951. Ny skoto « Eclaireurs Unionistes de France à Madagascar » dia niforona ny taona 1924 tamin’ny alalan’i filoha Jean Beigbeder izay lasa filohan’ny Scoutisme Français. Ny lasy nasionaly voalohany notontosain’ny Eclaireurs Unionistes de Madagascar dia natao ny volana Aogositra 1951 teny Ivato, Antananarivo. Nahavondrona skoto 500 avy amin’ny lafivalon’ny nosy. Tamin’ny taona 1947, no niova ho « Tily » izay midika hoe « mpiambina » ny anaran’ny Eclairaurs Unionistes de Madagascar. Tao aorian ‘ny tabataba 1947 izay hetsika fanoherana ny fanjanahantany. Teto Antananarivo tao amin’ny Foyer Chrétien des Jeunes gens no fampivondronana vao nanainga ho amin’ny lasy Tao amin’ny ny Foyer tao Antsahamanitra ny Tily, voatokana ny taona 1951. Tamin’ny feon’anjomara no niantsoan’i Chef Randria ny fivoriana. Samuel Randria, 41 taona eto amin’ny sary, teraka tany Fianarantsoa. Nianatra tao amin’ny Mission Luthérienne Américaine de Fort-Dauphin. Nahazo ny mari-pahaizana Certificat de l’enseignement du second degré, izay diplaoma ambony indrindra ho an’ny malagasy tamin’izany ary niasa tamin’ny sehatry ny fampianarana. Skoto nanomboka ny taona 1930, efa Filoha (Commissaire Eclaireurs) nanomboka ny 1941 ary nanokana ny fotoany ho amin’ny skotisma nanomboka ny 1944. Miantso fifamoriana indray Chef Randria ary arahana fampiakaran-tsaina. Misokatra ny lasy. Manangana tanana avy hatrany ny mpilasy Atsangana ireo tranobongo 80 amin’ny alalan’ny teknika fanaovana koja, mampiasa hazo mimoza, mololo sy zozoro ary taretra sy raphia. Samy nitondra ny fitaovana avy amin’ny faritra nihaviany avy ireo mpilasy. Mandritra ny fotoana hilasiana, ny tranolay sy ny sakafo dia miaina amin’ny zava-misy tanteraka. Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy. Eto Imerina, ireo fianakaviana sokajiana ho manan-katao dia mihinam-bary In-3 isan’andro. Mitsimpona vary aloha ireo tily, izay vary efa voatoto mba hanalana ny akotry sy hai-dratsy. Andrahoin’izy ireo anaty vilany be avy eo. Mipetraka eo ambony tsihy, samy mihinana ny variny miaraka amin’ny laokany avy. Natolotry ny orinasa Malaisie, orinasa frantsay ny vary nohanina tao an-dasy. Avy nisakafo dia misy fiatona kely, mandeha ny fitsidihana ireo trano rava sady mihinana fary, fotoanany rahateo Andro fanokanana Ny alahady 5 Aogositra 1951 no fanokanana amin’ny fomba ofisialy ireo faritany tonga nanatrika : Diégo- Mahajanga- Tomasina- Vatomandry- Soavinandriana – Arivonimamo – Toliara – Fianarantsoa –Ambalavao – Manakara- Farafangana – Fort- Dauphin sns Ireo Tily 500 isa dia niroso teo anatrehan’ireo filoha isam-paritany. Ny isan’ireo mpilasy nanatrika dia azo lazaina ho maro ihany, araka ny faritra nihaviny avy : ireo Betsileo 105 tily, Toamasina 35, Diégo 12, ry zareo avy any Atsimo-Andrefana dia tonga niaraka tamin’ny osy manamarika ny faritra misy azy. Misy sokajy 1 sady hahitana malagasy no hahitana vazaha eropeana na metisy. Fa mitokana hatrany ny vahiny sy ny zanatany. Ny fotoam-pivavahana dia notaritin’i Pastora J. Vernier, Filohan’ny hetsika eto Madagasikara Ny fankalazana ny tenin’Andriamnitra dia natao ankalamanjana voadidin’nireo kininim-potsy, tarihan’ny Mpitandrina Jacques Vernier Filohan’ny Champ de Mission Evangélique de Paris fantatra eto Madagasikara aamin’ny MPF Mission Protestante Française Eo amin’ny lohalarahan’ny fivoriam-bavaka, Marc André Ledoux Chef Mamy, teny malagasy midika hoe Doux Taorian’ny fianarana tao amin’ny Oniversite HEC teoa amin’ny Faha 22 taoanany Marc André Ledoux dia nisafidy ny ho lasa mpitandrina. Ny volana Aprily taona 1947, ny Commissaire du Mouvement Unioniste, Maurice Caustile, nanome sosokevitra azy ny handeha ho aty Madagasikara. Ledoux sy ireo ekipa malagasy no miara-miombon’antoka, hampandroso sy hampahaleo-tena ny skotisma malagasy. Anisan’ireo filoha mpitarika Paul Rakoavololona 30 taona, nanatanteraka ofana tany Frantsa. Izy no Sekretera Jeneralin’ny hetsika no mpandrindra voalohany ny lasy. Jerena ny endriky ny fanevan-tsokajy, ny fandrindrana ny fandrahoan-tsakafo. Mahasarika ny mpandalo eto Antananarivo ny fisian’ny lasy izay nahatratra hatramin’ny 10.000. Anatin’ireo misy ireo tompon’andraikimpanjakana vazaha mpjanaka sy misionera