У нас вы можете посмотреть бесплатно FANOMEZANA FANARIAM-PAKO AMIN'NY ENDRINY VAOVAO HO AN'NY FOKONTANY AMBINANIBE или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Fitoeram-pako amin'ny endriny vaovao no natolotry ny Ben'ny Tanàna Andry ANDRIAMAHASORO sy ny Kaominina Ambonivohitr'i Fort-Dauphin ho an'ny Fokontany Ambinanibe izay notokanana ny Sabotsy 11 Oktobra 2025 lasa teo izay fiara-miasa avy amin'ny Fikambanana FTM "Fort-Dauphin Tsy Maintsy Mandroso" izay Fikambanana tarihin'ny Ben'ny Tanàna sy ny Fikambanana Miara-Mivoatsy ary ny Kaominina ka nahatanterahana izao foto-drafitr'asa izao izay mitentina 1.800.000 AR ny lany tamin'ny fananganana ity fanariam-pako ity izay noneran'ny Kaominina avokoa ny lany rehetra tamin'izany. Ankoatra ity foto-drafitr'asa ity dia nisy ihany koa ny fanomezana borety, angady, lapelina, ary vaha ho an'ny vahoaka mba hanatanterahana ny asa fanadiovana ny tanàna. Tsy nanadino ireo Be antitra ao anatin'ity Fokontany ity ihany koa ny Ben'ny Tanàna mivady ka nanolotra vary 10 gony, tsaramaso 250 kilao ary menaka 100 litatra mba ho fijerena manokana ireo zokiolona tao an-toerana. Nanatsidika ny Ben'ny Tanàna nandritry ny laha-teny nataony fa fanombohana izao ary ity no fidinana voalohany tamin'ny vahoaka ary ny asa nampanatenaina dia tsy maintsy tanteraka ary efa miainga tsikelikely izany hita taratra amin'ny nahazoana ny fiara 4*4 hisantarana ny asa sosialy dia ny TRAGNAMBO izany araka ny nambarany nandritry ny fihaonany tamin'ny vahoakan'Ambinanibe.