У нас вы можете посмотреть бесплатно Tonon-Dalao "Malagasy foana ianao" tononkalo nosoratan'i Raozigasy или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Fandraisana anjaran'i Zoly Ra tamin'ny Tonon-Dalao nokarakarain'i Raozigasy sy ny Vondrona Kal'Tao Malagasy Malagasy foana ianao Na ho fotsy fihodirana, fa notsatsoin’ny hatsiaka Na hiteny teny hafa, noho ny fiampitana riaka Na hiaina fivoarana, noho izato fandrosoana Dia Malagasy foana ianao, izany tsy azonao soloina Na ho vazaha ny taratasy, ka ny anaranao vaovao Na ho ary fomba be mihitsy , ny kojakojan-tranonao Na hiadana am-pitaovana, noho ireo karazan’hai-tao Dia tsarovy foana foana fa mbola Malagasy ianao Na ho vazaha ny namanao, any am-piasana sy birao Na ho vazaha ny serasera sy ireo fifandraisanao Na ho vazaha ny fangatahana ao anaty vavakao Dia tadidio fa Malagasy ny ra mikoriana anatinao Koa ho anao Ramalagasy, izay nandao ny firenena Izay rehetra mila ravin’ahitra, noho ny adidy izay nekena Dia tsotra ny hafatra sy teny, ampitaina sy zaraina Malagasy foana ianao, raha mbola velona sy miaina © Raozigasy 21/07/2009