У нас вы можете посмотреть бесплатно RATSIMITAHA - Tantara an'onjampeo malagasy или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Efa nisy fotoana nizarana an'ity tantara ity teto fa RDB moa no namokatra azy tamin'izay (ny mpanoratra, Arikaomisa Randria mihitsy no nilalao ny anjara toeran'i Setra) izay hitatsika ato : • RATSIMITAHA Fa ity nozaraina androany ity kosa dia novorarin'ny RADIO TANA/RTA ka i Synèse no nandray ny anjara toeran'i Setra. RATSIMITAHA, tsy mitahy ny velona fa mitahy maty. Manana ny heriny sy ny fahefany manokana sady mpamokatra odin'ny dahalo amin'iny faritra atsimon'ny nosy iny. Ho vitan'ny olo-tokana ve nefa ny handrava izany ? Mety ho vita ihany raha eo ny herim-po sy ny fitiavana mahery noho ny tahotra. Ilay tononkalom-pitiavana natolotr'i Setra hoan'i Soazara : " Raha toa ka ianao no mpanjakan'ny foko Tena ho sambatra ny ati-fanahiko Satria ianao no efa nandoko Ilay fitiavana mba nokatsahiko Raha toa ka hiaraka izaho sy ianao Ho manga ny lanitra, hisava ny rahona Ny senton'ny tany angamba ho lao Ho mamy ambamin'ny tangena sy vahona Ny alina mantsy maniry ho maraina Ny rivotra koa mba maniry fitony Fa raha ny faniriako ho anao no fisaina Lalina toy ny rano ao an'ony Miteny ny vavako ianao no antsoiny Mijery ny masoko ianao no tadiaviny Milaza ny foko fa ianao no tsy foiny Ka faharisiana no hany soniaviny " Mihainoa finaritra tompoko ! #jiolahy #rta #radiotana