У нас вы можете посмотреть бесплатно 27 oktobra 2018 - Porofo telo (03) tsy maintsy tanteraka mialoha ny fiverenan'i JESOSY (tohiny) или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Niavaka kely ny fitohizan'ny fianarana Soratra masina fidirana faha-5 tapany hariva satria ireo mpandalim-pinoana no nasaina hametraka izay fanontaniana izay manitikitika azy ireo mahakasika ny Soratra Masina. Koa anisan'ny fanontaniana nomena valiny tao anatin'izany ireto manaraka ireto : inona no sakana mahatonga ny olona iray tsy handray tombokasen'ny Fanahy Masina? afaka miditra an-tsehatra ve ny Fanahy Masina amin'ny olona tsy manana fahafahana mamaky teny sy manoratra nefa mangetaheta Fahamarianana? mankaiza ny fanahin'ny olona rehefa maty alohan'ny farandro? mbola mety ho voavela ve ny heloky ny olona miteny ratsy ny Fanahy Masina noho ny tsy fahalàlana? ary ireo minia mikipy ? ahoana no atao mba ahazoana ny Batisan'ny Fanahy Masina? Tamim-pitiavana sy tamim-pifaliana tokoa no namalian'ny Mpanompon'Andriamanitra ireo fanotaniana ireo ary nentiny nanakatonana izany fampianarana izany : ny fanazavana ny faminaniana sy ny tontolony izay anisan'ny fanomezam-pahasoavana entin'ny Fanahy Masina eo anivon'ny Fiangonan'Andriamanitra, ny fomba fampitana izany ho an'ny olona rehetra ny fanavahana ny faminaniana sandoka sy ny tena marina ary ny olona afaka mitondra izany. Mbola hisy moa ny famintinana io fampianarana io ny Sabotsy 03 novambra 2018 ho avy izao ary koa hitondrana loha-hevitra vaovao hampitombo fahalàlana an'Andriamanitra sy hitomboana amin'ny fahasaovan'Andriamanitra marina tokoa. Koa tongava fa ny TOMPO tsy mandao anao!