Π£ Π½Π°Ρ Π²Ρ ΠΌΠΎΠΆΠ΅ΡΠ΅ ΠΏΠΎΡΠΌΠΎΡΡΠ΅ΡΡ Π±Π΅ΡΠΏΠ»Π°ΡΠ½ΠΎ SALAMO 27 - Vakiteny - [Baiboly Malagasy] ΠΈΠ»ΠΈ ΡΠΊΠ°ΡΠ°ΡΡ Π² ΠΌΠ°ΠΊΡΠΈΠΌΠ°Π»ΡΠ½ΠΎΠΌ Π΄ΠΎΡΡΡΠΏΠ½ΠΎΠΌ ΠΊΠ°ΡΠ΅ΡΡΠ²Π΅, Π²ΠΈΠ΄Π΅ΠΎ ΠΊΠΎΡΠΎΡΠΎΠ΅ Π±ΡΠ»ΠΎ Π·Π°Π³ΡΡΠΆΠ΅Π½ΠΎ Π½Π° ΡΡΡΠ±. ΠΠ»Ρ Π·Π°Π³ΡΡΠ·ΠΊΠΈ Π²ΡΠ±Π΅ΡΠΈΡΠ΅ Π²Π°ΡΠΈΠ°Π½Ρ ΠΈΠ· ΡΠΎΡΠΌΡ Π½ΠΈΠΆΠ΅:
ΠΡΠ»ΠΈ ΠΊΠ½ΠΎΠΏΠΊΠΈ ΡΠΊΠ°ΡΠΈΠ²Π°Π½ΠΈΡ Π½Π΅
Π·Π°Π³ΡΡΠ·ΠΈΠ»ΠΈΡΡ
ΠΠΠΠΠΠ’Π ΠΠΠΠ‘Π¬ ΠΈΠ»ΠΈ ΠΎΠ±Π½ΠΎΠ²ΠΈΡΠ΅ ΡΡΡΠ°Π½ΠΈΡΡ
ΠΡΠ»ΠΈ Π²ΠΎΠ·Π½ΠΈΠΊΠ°ΡΡ ΠΏΡΠΎΠ±Π»Π΅ΠΌΡ ΡΠΎ ΡΠΊΠ°ΡΠΈΠ²Π°Π½ΠΈΠ΅ΠΌ Π²ΠΈΠ΄Π΅ΠΎ, ΠΏΠΎΠΆΠ°Π»ΡΠΉΡΡΠ° Π½Π°ΠΏΠΈΡΠΈΡΠ΅ Π² ΠΏΠΎΠ΄Π΄Π΅ΡΠΆΠΊΡ ΠΏΠΎ Π°Π΄ΡΠ΅ΡΡ Π²Π½ΠΈΠ·Ρ
ΡΡΡΠ°Π½ΠΈΡΡ.
Π‘ΠΏΠ°ΡΠΈΠ±ΠΎ Π·Π° ΠΈΡΠΏΠΎΠ»ΡΠ·ΠΎΠ²Π°Π½ΠΈΠ΅ ΡΠ΅ΡΠ²ΠΈΡΠ° ClipSaver.ru
Salamo 23 Fahatokiana an'i Jehovah, Mpiaro sy Mpitahy ny olony 1Nataon'i Davida Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko; iza no hangovitako? 2Raha manatona ahy hihinana ny nofoko ny ratsy fanahy, izay fahavaloko sy rafilahiko, dia izy ihany no tafintohina ka lavo. 3Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho. 4Zavatra iray loha no nangatahiko tamin'i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan'i Jehovah sy mandinika ny tempoliny. 5Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin'ny andro fahoriana Izy; hampiery ahy amin'ny fierena ao an-dainy Izy; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy. 6Koa dia hisandratra ambonin'ny fahavaloko manodidina ahy ny lohako, ka hanatitra fanatitra hihobiana ao an-dainy aho; hihira sy hankalaza an'i Jehovah aho. 7Mihainoa, Jehovah Γ΄, fa mitaraina mafy aho; ary mamindrΓ fo amiko, ka valio aho. 8Raha hoy Hianao: tadiavonareo ny tavako, dia hoy ny navalin'ny foko: Eny, ny tavanao no tadiaviko, Jehovah Γ΄; 9Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy. 10Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy. 11Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah Γ΄; ary tariho amin'ny lalana marina aho noho ny fahavaloko. 12Aza manolotra ahy ho amin'ny sitrapon'ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy. 13Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah amin'ny tanin'ny velona. 14Miandrasa an'i Jehovah ianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an'i Jehovah.