У нас вы можете посмотреть бесплатно Ô, ry alina tomaratra soa - Hira Katolika (exultet) Tonony sy feo (ANKALAZAO NY TOMPO) или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Ô, ry alina tomaratra soa Sady alina mitondra haravoana, Ô, ry alina tsy manan-tsahala Sady alina masina indrindra. Ilay Pakan’ny Tompo nahary, Ilay Pakan’i Jesoa Mpamonjy, Ilay Pakan’ny fiainana an-tany. Ny olon-drehetra midera, miantsa, Ny anjely alinalina velon-koràna, Ny tany aman-danitra samy mihoby ô! 1.- Tamin’iny alina iny : ‘Lay Mpahary nampiposaka hazavana soa mamiratra ; Andriamanitra namorona ny zava-manana aina ; Izy Ray namolavola ny taranak’olombelona. Mba hizaka ny voaary manontolo, Sy hitondra ‘zany feony Hiderana an’Andriamanitra Mahefa. 2.- Tamin’iny alina iny : Raha nanaiky i Abrahama mba hisorona ny zanany Dia nanohana azy mafy ny Anjelin’andriamanitra, Ary ondrilahy matavy no napetrany ho solony, Nankato tanteraka izy sady nino : Fa na maty aza Isaaka, Mahatsangana azy ho velona ny Ray. 3.- Tamin’iny alina iny : Dia ny Zanak’i Israely sesitany tany Ejipta, No nandao ity firenena nitondrany fahoriana, ‘Lay taranaka voafidy izay nijaly nandevozina. Fa mba hamonjen’ny Ray antsika izao : Nandevozim-pahotana, Dia nomeny ho fanavotana ny Zanany. 4.- Ô, ry Ran’ny zanak’ondry ô ! Raha naripaky ny Anjely ireo matoan’i Ejipta, Ka natentina an-tolàn’ny varavarana ianao, Dia voaaro sy voavonjy ny taranak’i Israely. ‘Zahay kosa, eny mendrika ho faty, Noho ny ota vitanay... Fa i Kristy namonjy anay tamin’ny Ràny. 5.- Ô, ry otan’i Adama ! Nananjara lahy ianao tamin’ny heloka rehetra Fa voaonitr’Ilay Zanak’Andriamanitra Mpanavotra, Dia ianao no nahazoanay rehetra ny Mpamonjy. Ka dia mody hafaliana ny alahelo, Sy diovina ny ota ; Koa mihaona izao ny tany sy ny lanitra. 6.- Ô, ry rano niampitàna ! E nizara roa ianao ary maina toa tanety Mba hizoran’ny vahoaka izay navotana fahiny, Notarihin’ilay rahona mazava manjopiaka ‘Zahay kosa, tamin’ny Ranon’ny Batemy, No nandray ny famonjena, Hahatonga anay ho zanak’Andriamanitra. 7.- Ô, Ianao ry Alina iny ! E, nahita Ilay nijaly nofantsihana ianao : Ilay maty fa nandresy ka nitsangana ho velona ; Eny, sambatra ianao, amin’ny alina rehetra ! Ô, ry Alina tsilovin-jiro izao ! Mankalaza anao izahay, Noho ilay Kristy Fahazavana. 8.- Ô, ry alina handrasana ! Eny, ho avy toa mpampakatra i Kristy Jesoa, Amin’ilay mamatonalina tsy hampoizina hiverenany, Hanafoana ranomaso, fahoriana mbamin’ny haizina, Miaraka aminy izahay ankehitriny, Mba higoka dieny izao Ny hasambarana amin’ny Fanasan’ny Ray.