У нас вы можете посмотреть бесплатно Rolland Raelison - Sangisangy ve ? или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
BIOGRAPHIE AN'I ROLAND RAELISON NOZARAIN'NY COMPTE FACEBOOK RADIO FEON'IMERINA : NY MOMBAMOMBA AZY (Fizarana voalohany) RAELISON Roland Aimè no tena anarany, teraka ny 09 Febroary 1938 tany Amboasary Gara Mbola zaza 07 taona i Roland Raelison dia maty ny reniny, io reniny io dia mahay mitendry Piano, tsy nahagaga raha mbola vao valo taona monja dia efa nahay nitendry angorodao i Roland Raelison Nisy ny fotoana nipetrahany tao Antsahatsiroa, nigagan’ny mpiaramonina izy tao , satria mbola zazakely dia efa itangoronana rehefa mandray angorodao. Nitombo hatrany ny fianarana sy fandalinany ireo karazanjavamaneno , maro ireo zavamaneno voafehiny tanteraka toy ny : Piano, angorodao, gitara, lokanga, kontrabasy, saksofonina, klarinety, sodina, valiha, harpa, farara, mandolina, trompetra , trombonina sns … Mahay mamaky sy manoratra ireo karazana sora-peo misy i Roland Raelison;; anisan’izany ny Solfa, ny Naoty na solfejy, ny Solfège anglosaxon ary ny Solfege chinois, ankoatr’ireo dia kinga sofina afaka mitendry tsy mila mamaky , Ny fahafehezany ireo karazanjavamaneno sy fomba fanoratana ireo sorapeo no nanamora ny fahatongavany ho lasa mpampianatra zavamaneno, nianatra nitendry gitara tao amin’i Etienne Ramboatiana i Roland Raelison, avy eo dia nantsoin’ i Ramboatiana nanampy azy nampianatra gitara taty aoriana . (mbola hitohy)ROLAND RAELISON: NY TANTARANY (Fizarana faharoa) Mbola kely izy dia namoronkira, ny hira “”Mifohaza” no hira noforoniny voalohany; gadona bolero io hira io ,mbola mpianatra teny amin’ny Ambaratonga faharoa koa izy dia efa mpitendry angorodao tao amin’ny Tarika notarihan’I Odeam Rakoto, tsy vitan’ny hoe nitendry fotsiny izy tao ,fa nirotsaka namoronkira ihany koa, toy ny “ Imaintsoanala, sns…’’, nandihy sy nilalao tantara ihany koa izy,ka nanavanana azy ny nilalao hatsikana niaraka tamin’i Odeam Rakoto, tao amin’ny tarika Odeam Rakoto no nifaneraserany tamin’ireo andrarezina toa an’i Lesth Andriambelo, Mme Fara, Mamy Rakotoarimalala, Lalao Rabeson sns Maro ireo hira noforonin’i Roland Raelison,ary nampihira mpananakanto goavana sady sangany izy toa an’i : Ossy, Gabhy, Romule, Bera, Guy Andriamadaoro, Jean Raymond, Gaston Andrianony,sns. Teo amin’ny mpihira vehivavy nahitana an’i Pauline Rabehasy, Ony, Lalao Rabeson,Mbolontsoa Nelle, Perle, Fleur, Hanitra, Suzy Raivo,Monique Lalao, Fleurah,Lala sns… Arakin’ny fitantaran’i Gabhy dia i Roland Raelison no nantsoina ara-bakiteny hoe ‘’toutes clé ’’, satria nanavanana azy avokoa ny cle’ rehetra, maro tamin’ireo hira noforoniny no niainga tamin’ny ‘’touche maintimainty’’. Niara-niasa tamin’ny mpanoratra sangany toa an’I Rado, izay namorona ny tononkira “, Inay aho,sy Berehaka,sns “” sy Celestin Andriamanantena namorona ny tononkira “” Hamerina ny anaranao “ ary Raboanary Parson namorona ny “”Vakana sarobidy” Maro ihany koa ny hira noforonin’I Roland Raelison tamin’ny teny frantsay toy ny : Valse d’amour, naviguer dans tes yeux ,vous que j’aime, toi seul, au revoir mon amour, les mpilalao sns Nampiavaka azy koa teo amin’ny hira sasany noforoniny, izay hiran’olondroa vavy sy lahy, indraindray dia ny lehilahy manao feo voalohany ambany ary ny vehivavy manao feo faharoa ambony toy ny : ‘’ Ekeko satria’’ sy ’’ Nahoana re ?’’