У нас вы можете посмотреть бесплатно Tantara Malagasy - TSIAMBARATELO (Tantaran'ny Radio Don Bosco) Tantara Indray Mihaino или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
TSIAMBARATELO Tantaran'ny Radio Don Bosco Mpifankatia i Aro sy i Realy nanana olana ara-pitiavana noho ny fifandraisana tamin'i Vola. Nandratra an'i Realy ireo fifaneraserana nisy taminy sy i Aro, nanery ny fony sy ny tenany hanalavitra an'i Aro i Realy. Nisara-toerana i Realy sy i Nandrianina zandri-vaviny, satria te hanalavitra an'i Aro i Realy. Efa nisy fifanarahana vita, taloha, eto amin'ny ray aman-drenin'i Aro sy Vola fa haroso amin'ny fanambadiana ireto zanany rehefa tonga amin'ny taona sahaza azy ireo... Niena tsikelikaly ny fifandraisana teo amin'i Aro sy i Realy, tetsy ankilany kosa nitady hevitra ny hampivelarana ny fitiavany an'i Aro i Vola ary nivoatra tokoa izany ka tonga hatramin'ny fitoriana fitiavana nataon'i Aro ka nanolotra peratra ho marik'izany mihitsy izy. Niezaka namitrana ny fihavanana sy ny fifankatiavana nisy teo aminy sy Nadrianina, hatrany i Realy ary nisy vokany izany. Maro fihetsehim-po miafina i Realy ary na i Nandrianina rahavaviny aza misy fotoana hanafenany ny ratra-pony. Nalain'i Aro an-keriny i Realy mba hifanazava aminy ny anton'ny fisarahana teo amin'izy roa satria tsy nanaiky hifampiresaka tamin'ny mihitsy i Realy... Mpanoratra : R.S Zita Mpilalao : Vanintsoa, Le Mec, Niravo, Ony Mihajanirina Nandray feo : Tovo Razanamamonjy Nanatontosa : Ony Mihajanirina