Русские видео

Сейчас в тренде

Иностранные видео


Скачать с ютуб Dadah R'abel feat Inah - Kalon'ny antitra в хорошем качестве

Dadah R'abel feat Inah - Kalon'ny antitra 5 лет назад


Если кнопки скачивания не загрузились НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru



Dadah R'abel feat Inah - Kalon'ny antitra

(Fa raha ianao no lasana, matesa faingana aho Tsy hihidy ela ny fasana, f'izaho tsy mahafoy anao) Miketrona avokoa, ny hoditrao manontolo Ela niara-droa, tafaray fotsy volo Ny masonao mainty manga, mihafotsy ho azy teo Ny nifinao maro banga, mahatonga anao hiova feo Izaho kosa savolaina, foka sy trotraka Efa miaritra aina, efa ho potraka Efa manao poha, efa miverin-tsaina Mangozohozo loha, efa manaintaina Isika no hoe lany hetezana Fa ny fontsika tanora aok'izany Ianao no taolan-tehezana Andefi-mandry hatrany Mikisaka raha mamindra Mihilangilana Mikavivia aho hirindra Kilasy vilana Nefa mbola mitosy, mbola miangoty koa Rangahy be sy rafotsy, mbola mifankatoa Ny ankizy nokoloina, tsy misy tsinjo intsony Tsy hita ho antsoina, efa voafehy ireo fony Teto isika roa, tojo ny farany Asa izay handeha aloha, miandry ny anjarany Fa raha ianao no lasana, matesa faingana aho Tsy hihidy ela ny fasana, f'izaho tsy mahafoy anao Ny faniriako hatri'zay, hiara-antitra aminao Fa ny Avo no nampiray, izay indray vao hifandao Tsy tantiko ny ho irery, raha banga ny toeranao Tsy misy mpakahery, koa avy re alao Ho tapany aho fa tsy ho iray Aza hilaozanao toy izao Hiara-lavenona fa miaraka hitahy Hiara-maty aminao

Comments