У нас вы можете посмотреть бесплатно FITRANDRAHANA VOLAMENA VOHILAVA MANAJARY или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Vohilava Mananjary Mitaky ny fialan’ireo sinoa mpitrandraka volamena ny mponina Mikaikaika ny mponina manoloana ny fitrandrahana volamena tsy manara-dalana, sy tsy manaja ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina, ataon’ny Sinoa efa ho 8 taona izao any Vohilava, distrikan’i Mananjary, faritra Vatovavy Fitovinany. Maloto ny rano fisotro, izany dia miteraka aretin-koditra sy aretim-pivalanana ho an’ny mponina noho ny akora simika ampiasain’ireo sinoa mpitrandraka vahiny ireo amin’ny reniranon’Isaka, potika ihany koa ireo fambolena ataon’ny tantsaha, ny tsy fanarahana ny fomban-tany manginy fotsiny, toy ny : fanaovana maloto amin’ny rano sy ny fandikana ny fady, ireo mpitrandraka madinika zara raha mahazo volamena akehitriny satria sambo milina goavana no itrandrahan’ireo sinoa ny volamena any an-toerana. Tsy mandeha ihany koa ny tsenam-barotra , zara raha maha-voavidy hena sy voamaina ny mponina any an-toerana noho izany. Nandritra izay 8 taona nitrandrahany ny volamena any Vohilava izay, tsy misy mba zava-bita natsangan’ireo vahiny fa ny mitrandraka ny harena volamena ihany no ataony. Tsy nisy fitondram-panjakana nihaino ny fitarainan’ireo mponina any an-toerana an-taonany maro izao , efa maro ny fampanenoana lakolosy fanairana nataon’ireo mponina saingy rano an-damosin’ny gana avokoa izany , ireo olobe Ampanjaka Tangalamena any an-toerana, tarihan’ny Ampanjaka Ralahy Paul, mihintsy no mampakapeo noho ny fahavoazana mahazo ny mponina any, saingy dia mpitandro ny filaminana no ampifanatrehana amin’izy ireo sy atao hiaro ny vahiny manao ny fitrandrahana tsy manara-dalàna. Simba ny morondrano sy ny fiampitana , tsy afa-manohy ny fianarany ny ankizy madinika satria miha-lalina ny rano ateraky ny fangadina ataon’ny sinoa amin’ny fitrandarahana volamena ataony. Hanohy ny hetsika fanairana ny mponina any an-toerana raha ny fantatra, raha mbola mitohy ny fitrandrahana ataon’ireto sinoa ireto. Ireo solombavambahoaka mianadahy teo aloha : Kathy, sy Ramparany Anthelme dia tsy nahavaha olana momba izao raharaha izao, nefa dia mbola mirotsaka ho fidiana ihany izy ireo amin’ny fifidianana depiote ny 27 mey ho avy izao.