У нас вы можете посмотреть бесплатно inverse (Talata 24 Febroary 2026) NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY: TENA IZY SA ANGANO? или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY: TENA IZY SA ANGANO? Mafonja sady maharesy lahatra ireo porofo manohana ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty: Ny famantsihana Azy tamin'ny hazo fijaliana: Zava-dehibe ny mametraka fa maty marina teo amin'ny hazo fijaliana i Jesosy. Manazava ny hamafin'ny famantsihana amin'ny hazo fijaliana i Dr. William D. Edwards, ao amin'ny lahatsoratra fanadihadiana ara-tsiansa nataony momba ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana, navoakany tao amin'ny The Journal of the American Medical Association, izay manantitrantitra fa manondro miharihary ny lanjan'ireo porofo ara-tantara sy ara-tsiansa fa maty tokoa i Jesosy talohan'ny nanindronana ny lanivoany. Havanana tamin'ny famonoana olona ireo miaramila romanina, ary nanao izay ahazoana antoka fa tsy torana fotsiny i Jesosy na mbola azo navotana ny ainy, fa maty tokoa Izy (Jao. 19:33,34). Ny fasana foana: Raha namboamboarina ny tantaran'ny filazantsara, araka ny lazain'ireo tsy mino, dia tsy hamorona tantara mifototra amin'ny fanambarana nataon'ny vehivavy mihitsy ireo mpanoratra tao anatin'ny kolontsaina fahiny, izay saika tsy andraisana mihitsy ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ny vehivavy eo amin'ny fitsarana. Ny fisongadinan'ny vavolombelona vehivavy ao amin'ny tantara dia midika fa nampiditra tsipiriany mifanohitra amin'ny kolontsaina ireo mpanoratra ny filazantsara mba hilazana ny tantara marina. Vao mainka manamafy ny maha zava-dehibe ilay fasana foana ny tsy nahafahan'ireo fahavalo nanamboatra vatana hafa ho solon'ny fatin'i Jesosy mba handavana ny filazana fa nitsangana tamin'ny maty Izy (Mat. 28:11-15). Ny fisehoany: Tsy tamin'ny lafiny ara-panahy fotsiny no ninoan'ireo Kristianina voalohany fa velona i Jesosy; nilaza izy ireo fa nahita maso Azy ara-batana sy ara-nofo. Tanisain'i Paoly ireo fisehoana ireo ao amin'ny 1 Kôr. 15:5-8. Tamin'ny fotoana nanoratan'i Paoly ny Korintiana dia mbola velona ireo vavolombelona efa ho dimanjato, ary afaka nanamarina izay voalazany. Ny flovana: Nisy fiantraikany lalina sy teo no ho eo tamin'ny mpianatra ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty. Tsy vondron'olona resy intsony izy ireo fa nanjary mpitory feno fahasahiana an'i Kristy nitsangana tamin'ny maty. Talohan'ny fitsanganana tamin'ny maty mantsy, dia natahotra sy niafina ny mpianatra (Jao. 20:19), fa taorian'izany kosa dia vonona ny hiatrika fanenjehana izy ireo, na dia hatramin'ny fahafatesana aza, noho ny fijoroany ho vavolombelona (Asa. 4:33). Tsy misy olona mahafoy ny ainy noho ny amin'ny lainga. Tsy ny fiangonana voalohany no namorona ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, fa ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty kosa no namorona ny fiangonana voalohany. Inona amin'ireo lafiny efatra momba ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ireo no manampy indrindra ny olona hino ny fahamarinan izany? Inona amin'ireo kosa no tsy dia manan-danja? Inona koa ireo porofo hafa hitanao izay manamafy ny fahamarinan'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty? lanaro tsianjery ny andininy tianao indrindra, avy ao amin'ny Jao. 20:1-18. Soraty imbetsaka izany mba hahamora ny fitadidianao azy.