У нас вы можете посмотреть бесплатно INVERSE sabotsy 28 Febroary 2026 Ny fitsanganana amin'ny maty или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Ifanakalozy hevitra Zava-dehibe ny handalinantsika ity lesona ity sy hisaintsainantsika ny akon'izany eo amin'ny finoantsika sy ny fiainantsika isan'andro. Amplasao ao amin'ny kilasin'ny Sekoly Sabata (na amin'ny mpiara-mianatra Baiboly) ireo fanontaniana etsy ambany ho fandinihana ny toko sy andininy fototra amin'ity herinandro ity sy ireo toko sy andininy manohana izany: 1. Ho nanao ahoana ny fihetsikao raha ianao no nanoloana ny fasana foana? Jao. 20:1-3. 2. Inona no fantatsika momba ny fiainan-dasan'i Maria Magdalena? Lio. 8:1-3. 3. Inona no azontsika ianarana momba an' i Jesosy sy ny laharam-pahamehany nandritra ny fihaonany tamin'i Maria? Jao. 20:11-18. 4. Ahoana no nanovan'ny fitsanganan'i Kristy tarnin'ny maty ny fahatakarantsika ny hevitry ny hoe miaina fiainam-pandresena ao amin'i Kristy? Rom. 6:4-6. 5. Ahoana no anomezan'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty toky sy fanantenana ho an'ny mpino eo anatrehan'ny fahafatesana? 1 Kor. 15:20-23. 6. Mampiavaka an'i Jesosy amin'ireo mpitari-pivavahana hafa rehetra ny nitsanganany tamin'ny maty. Ahoana no anampian'izany zava-misy izany anao amin'ny fizaranao ny finoanao amin'ny hafa? Asa. 4:33; 1 Kor. 15:14-19. 7. Amin'ny fomba ahoana no azo ampiasana ireo porofo ara-tantara manamarina ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, mba hitoriana ny hafatra momba ny fitsanganana amin'ny maty amin'ireo tsy mino na ireo izay mila porofo mitombina?