У нас вы можете посмотреть бесплатно inverse.mg Zoma 27 Fev 2026 : NY HERIN'NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Friday, February 27 NY HERIN'NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY Takaro - NY HERIN'NY FITSANGANANA AMIN'NY MATY «Voatery nandositra ny anjelin'i Satana nanoloana ny hazavana mamiratra sy mahery avy tamin'ireo anjelin'ny lanitra, ary nitaraina mafy tamin'ny mpanjakany izy ireo fa nesorina tamin-kery teo amin'izy ireo ny hazany, ary nitsangana tamin'ny maty ilay Jesosy nankahalain'izy ireo fatratra. (...) Rehefa nivoaka avy tao amin'ny nanagadrana Azy i Jesosy ka tonga mpandresy lehibe, dia fantatri Satana fa tsy maintsy ho faty izy aoriana kely ary ny fanjakany dia hatolotra ho an'llay tena tompony. Nitomany i Satana sady tezitra mafy, satria na teo aza ny ezaka rehetra nataony dia tsy resy i Jesosy fa nanokatra lalam-pamonjena ho an'ny olona, ary afaka mandeha amin'izany lalana izany avokoa ny rehetra ka hovonjena.» - EW, t. 182. « Raha mba afaka mitraka moa ny loha mitanondrika, mba hisokafan'ny maso hibanjina Azy, mba hihaino ny feony ny sofina: 'Andeha haingana, ary lazao ny mpianany fa nitsangana izy'. (...) Aza mijery ny fasana foana. Aza mitomany toy ireo tsy manana fanantenana sy tsy manam-panampy. Velona Jesosy, ary satria velona Izy, dia ho velona koa isika.» - IFM, t. 852. «Teo ambonin'ny fasan'i Josefa nisokatra no nanambaran'i Kristy tamim-pandresena hoe: "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana'. Izay Andriamanitra ihany no afaka hanao izany teny izany. (...) Ilay Iray amin'Andriamanitra ihany no afaka hiteny hoe: 'Manana fahefana hanolotra ny aiko, ary manana fahefana haka azy indray Aho'. Teo amin'ny maha-Andriamanitra Azy Kristy dia nanana ny hery hanapahana ny fatoran'ny fahafatesana.» - IFM, t. 844. «llay feo niantso avy teo amin'ny hazo fijaliana nanao hoe: 'Vita', dia re teo anivon'ny maty. Nanagorobaka ny rindrin'ny fasana izany, ka nibaiko ny matory hitsangana. Ho toy izany koa rehefa ho re avy any an-danitra ny feon'i Kristy. Ho tafiditra hatrany amin'ny fasana io feo io ka hanala ny hidin'ny fasana, ka hitsangana izay maty ao amin'i Kristy. Fasana vitsy no nisokatra tamin'ny nitsanganan'i Kristy Mpamonjy tamin'ny maty, fa amin'ny fiaviany fanindroany dia handre ny feony avokoa ireo maty sarobidy rehetra, ka hivoaka amim-boninahitra, manana ny fiainana mandrakizay.» - IFM, t. 846.