У нас вы можете посмотреть бесплатно inverse.mg (Alakamisy 26 Fev 2026) LAMBA NIVALONA или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
LAMBA NIVALONA Hoy ny Jao. 20:7,8: «Ary ny mosara izay nafehy ny lohany tay mba nipetraka teo amin'ny lambam-paty, fa voavalona mitokana. Ary tamin'izay dia niditra koa ilay mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino.» Ho an'i Jaona, ny fasana foana sy ireo lambam-paty nivalona dia porofo mangina nefa mahery vaika fa nisy zava-mahagaga nitranga. Voalohany, ny mpangalatra dia tsy hamela lamba mivalona rehefa avy nanao halatra. Faharoa, ireo izay nahalala an'i Jesosy dia nahafantatra ny fombany, ary io fihetsika tşotra naneho filaminana teo anivon'ny savorovoron'ny hazo fijaliana io dia nanamafy tao am-pon'i Jaona fa nitsangana tokoa i Jesosy. Matetika Andriamanitra no mampiasa ny zavatra tsotra indrindra hanehoana ny voninahiny lehibe indrindra. Ny lamba nivalona dia nampiseho fa na niova aza ny tenan'i Jesosy, dia tsy niova ny toetrany. Izy ihany no llay Jesosy be famindram-po Izay hanao fanelanelanana ho azy ireo any an-danitra. Fahatelo, nisolo fitafiana i Jesosy, nanao fitafiana masina Izy, izay marika fa tonga Mpisorona Jay Zanak'ondry. Saingy tsy nijanona hatreo amin'ny lamba nivalona fotsiny Andriamanitra. Nohamafisiny tamin'ny alalan'ny vavolombelona sy famantarana isan-karazany ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty: Vehivavy iray navela heloka: I Maria Magdalena, izay afaka tamin'ny vesatry ny fiainan-dasany. no voalohany nihaona tamin'i Kristy nitsangana tamin'ny maty (Jao. 20:14-16). Mampiseho izany fa natao ho an'ny rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra, na inona na inona lasany. Nisy vehivavy maro hafa koa nijoro ho vavolombelon'ny fitsanganany tamin'ny maty. Ny fanambaran'ireo mpianatra roa: Nanamafy izany fahagagana izany i Petera sy i Jaona, izay samy nihazakazaka nankany amin'ny fasana, nahita ny lamba nívalona sy ny tsy naha tao ny fatin'i Jesosy (Jao. 20:3-8). Fasana foana: Vavolombelona mangina nefa manan-kery ny fasana. Tsy nangalarina ny fatin'i Jesosy-nitsangana Izy, araka ny toky efa nomeny (Lio. 24:6). Ny fandresen-dahatry ny Fanahy: Farany, nanjary takatry ny mpianatra ny amin'ilay fitsanganana amin'ny maty noho ny asan'ny Fanahy Masina. Na efa nilaza tamin'izy ireo aza i Jesosy fa hitsangana Izy, dia ny Fanahy no nandresy lahatra ny fony sy nanokatra ny masony hahita ny marina amin'ny fahafenoany. Ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty no fototra lorenan'ny finoantsika, ary antoka faratampony fa ho velona koa isika satria velona i Jesosy. Mampahatsiahy antsika ny Rom. 6:5: «Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany.» Inona no ambaran'ny tantaran'ilay mosara voavalona amintsika momba an'i Jesosy? Oviana no efa nahitanao an'Andriamanitra namplasa zavatra Isotra indrindra mba hanehoana ny voninahiny sy ny heriny?