У нас вы можете посмотреть бесплатно 13/ Faune Endémique eto Madagasikara: Aye Aye - Daubentonia madagascariensis или скачать в максимальном доступном качестве, видео которое было загружено на ютуб. Для загрузки выберите вариант из формы ниже:
Если кнопки скачивания не
загрузились
НАЖМИТЕ ЗДЕСЬ или обновите страницу
Если возникают проблемы со скачиванием видео, пожалуйста напишите в поддержку по адресу внизу
страницы.
Спасибо за использование сервиса ClipSaver.ru
Gidro na varika Haihay, Ahay, Aiay, Bekapaky (Bemaraha), Karakapaky (Namoroka), Fagnà (Marolambo) Gidro anatin’ny fianakaviana Daubentoniidae, karazan’ny Daubentonia Madagascariensis fa fiantso hoe Aye Aye no tena ahafantarana azy. Mirefy hatramin’ny 90cm ny Aye Aye, 50cm mahery amin’io ny halavan’ny rambony. Milanja hatramin’ny 3kg. Bika aman’endrika, sarotra avahina ny maha lahy sy ny mahavavy. Izy no varika lehibe indrindra amin’ireo varika mpivoaka mitady sakafo amin’ny alina na nocturne Tsoky loha mitovitovy amin’ny voalavo sy bitro ny varika Aye aye no sady karazam-biby mpikiky, Ramanavy no mitovitovy sofina aminy. Lavabe noho ny sasany ny rantsan-tanany faha telo. Mihinana voankazo sy olitra izy fa bibikely anaty vata-kazo no hanim-pitolohany “insects xylophages”. Somary dondominy amin’ny tanany tahaka ny mandom-baravarana manao aody ny vatan-kazo izay heveriny fa misy bibikely ao anatiny, avy eo henoiny tsara amin’ny sofiny ngeza sy lava tahaka ny sofim-bitro io amantarany ny fihetsekiketsin’ny biby tiany ho rembena ao anaty vatan-kazo. Andrinifiny maranitra no fikikisany hodin-kazo, vitany tahaka ny notsofaina mihintsy. Rantsan-tanan’ny maranitra sy lava indrindra iny no isokirany ny bibikely hohaniny avy ao anaty vatan-kazo ary tonga de tsakoiny avy hatrany ao am-bavany. Matetika goaka tahaka izao ny vatan-kazo avy niremben’ny varika Aye Aye bibikely Faritra andrefana, avaratra, atsinanana ary atsimo atsinana no ahitana haihay eto Madagasikara. Samy manana ny tantara inoany momba ny haihay ny mponina amin’ny faritra eto Madagasikara Ao Maromizaha – Andasibe, faritra arovana tantanin’ny GERP dia misy lovantsofina milaza fa biby fady ny Aye Aye ka tsy te hifanojo ahita azy ny olona fa matahotra. Misy aza ny mamono azy avy hatrany satria fambara loza na fahafatesana ho anizay mahita azy hono, fomba fijery tsy voazava no sady tsy misy porofo aran-tsiantifika. Ao Manombo – Farafangana, faritra arovana tantanin’ny GERP dia biby manan-kasina indray no isokajian’ny lovan-tsofina azy. Raha sendra mahita ny fatiny dia tsy maintsy fonosina lamba tsara mba tsy hiraraka na hihintsana ny volony, avy eo aterina amin’ny tanana ankaiky indrindra ny nahitana azy, izany fomba izany no antsoinn’ny mponina any an-toerana hoe “tetibato”, ataon’ny tanana rehetra izay lalovan’ny fatin’ny Aye Aye. Lovan-tsofina amin’iny faritra iny no milaza fa raha misy singam-bolon’ny fatin’ny aye aye miraraka an-tanana dia hiteraka fahoriana mandripaka hahalany tamingana ny taranaka Manampy sy mampahomby ny fiarovana Aye Aye ity lovantsofina faha roa ity satria lasa tsy tia mahita fatin’ny Aye Aye ny mponina fa aleony mahita Aye Aye velona noho izy maty ao anaty ala. Tsara ho fantatsika fa tahaka ny varika rehetra 112 karazany misy eto Madagasikara ny Aye Aye, ny endrika no maha samihafa azy amin’ny varika. Tsy biby fady izy ary tsy fambara loza ny mahita azy. Atahorana ho lany tamingana haingana no isokajian’ny UICN na Union internationale pour la Conservation de la Nature ny haihay; raran’ny CITES ny fanondranana azy ary mahavoasazy ny mamono na mihaza ny Aye Aye Ny Groupe d'étude et de recherche sur les primates de Madagascar na GERP dia manana tetikasa entina hampahomby ny fiarovana Aye Aye eto Madagasikara anisan’izany ny fanaraha-maso ny aty ala izay misy Aye Aye iarahana amin’ny vondron’olona ifotony ao Maromizaha Andasibe sy Manombo any Farafangana. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny fisian’ny Aye Aye sy ny fahavelomany. Fambolena karazan-kazo fihinany mba ho fampitomboana sakafony sy ho fanatevenanana ny toeram-ponenany. Fanentanana ireo mpianatra sy ireo olona mipetraka manodidina ny ala hifanome tanana amin’ny fiarovana ny Aye Aye Samia resy lahatra hiaro azy fa biby zanatany tsy misy na aiza na aiza afa tsy eto amintsika ny Aye Aye na “endémique eto Madagasikara” Lien Facebook: https://fb.watch/pvrcjDGb_j/